Taminao iny (El-Boy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
« AH AH AH »
Voaraiko jiaby SMS nalefanao omaly hariva iny.
Hoe tsy ho lamban’akoho ny amintsika, fa aleo ho mpinamana ihany.
Dia izay olo mandalo ve no hamafanao ireo tantara fahiny ?
F’ianao angaha mieritreritra fa any amin’azy tsy hahita tomany ?

Tsy haiko izay mbola tsy ampy eh ?
Tsy haiko izay efa tafahoatra ?
Ny fonao any an-kafa no hiantsampy eh !
Fa dia efa naninona loatra ?
Fa rendrarendra sy fahafinaretana, no andaozanao zaho mba tena tia.
Ho tsaronao izao teniko izao indray andro any…

REF:
Fa taminao iny eh !
No nahatsapako ny natao hoe nandairam-pitiavana eh !
Tena latsam-pitiavana nefa indrisy fa dia nosoparanao io.
Ny ratram-po zakako ihany.
Fa ny mieritreritra an’izany.
Hoe taminao ihany aho no tafatomany !

AYA AH !
‘Zaho tsy hiteny hoe izay no anjara.
Fa io safidy tsy terena.
‘Zaho te-hitsinjo ny any afara.
Ianao kosa te hanimba tena !
Tsy aleo ve manangana ny ho avy eo anilan’ilay niharitra teny foana ?
Sa tianao mihitsy ve ‘lay atao fanalana sy fandaniam-potoana ?
‘’YEAH’’

Tsy haiko izay mbola tsy ampy eh ?
Tsy haiko izay efa tafahoatra ?
Ny fonao any an-kafa no hiantsampy eh !
Fa dia efa naninona loatra ?
Fa rendrarendra sy fahafinaretana
No andaozanao zaho mba tena tia
Ho tsaronao izao teniko izao indray andro any…

REF:
Fa taminao iny eh !
Taminao
Taminao iny eeeeh

Fa taminao iny eh !
No nahatsapako ny natao hoe nandairam-pitiavana eh !
Tena latsam-pitiavana nefa indrisy fa dia nosoparanao io.
Ny ratram-po zakako ihany.
Fa ny mieritreritra an’izany.
Hoe taminao ihany aho no tafatomany !

Fa taminao iny eh !
No nahatsapako ny natao hoe nandairam-pitiavana eh !
Tena latsam-pitiavana nefa indrisy fa dia nosoparanao io.
Ny ratram-po zakako ihany.
Fa ny mieritreritra an’izany.
Hoe taminao ihany aho no tafatomany !

PONT :
Voaraiko jiaby SMS nalefanao omaly hariva iny
Hoe tsy ho lamban’akoho ny amintsika
Fa aleo ho mpinamana ihany
Dia izay olo mandalo ve
No hamafanao ireo tantara fahiny ?
‘’BABY’’

Fa taminao iny eh !
No nahatsapako ny natao hoe nandairam-pitiavana eh !
Tena latsam-pitiavana nefa indrisy fa dia nosoparanao io.
Ny ratram-po zakako ihany.
Fa ny mieritreritra an’izany.
Hoe taminao ihany aho no tafatomany !

Fa taminao iny eh !
No nahatsapako ny natao hoe nandairam-pitiavana eh !
Tena latsam-pitiavana nefa indrisy fa dia nosoparanao io.
Ny ratram-po zakako ihany.
Fa ny mieritreritra an’izany.
Hoe taminao ihany aho no tafatomany !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : El-Boy
Vangy : 5330
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 06/04/2020 20:05
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114