Raiso aho ho Anao (Ekaleon Praise)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesôsy ôh! tsara loatra ny fitiavanao,
Izay nasehonao ka, namonjenao ahy
Ilay fitiavana maharitra,
Izay napaharetanao
Famindram-po mba ho ahy.
(X2)

Ref:
Raha ny fahalebiazanao dia tsy ho takatro
Fa ity ny tenako atolotro ho anao
Fa ny faniriako dia ny ho eo anilanao
Jesôsy ôh! raiso aho
Raiso aho ho anao.

....

Jesôsy ôh! aza mahafoy na mahasaraka ahy (Hmm!! mmm!!! hm!hm!)
Fa tiako loatra Tompo ô! ny miaraka aminao
Atolotro ka hanjakao ny fiainako (Ieeh!! eh!eh!)
Jesôsy ôh! tiako Ianao!! (Tena tiako Ianao Jesôsy ôh!)
Tiako Ianao!! (Tena tiako Ianao...)
Mandrakizay (...mandrakizay)

Ref:
*Raha ny fahalebiazanao dia tsy ho takatro
Fa ity ny tenako atolotro ho anao
Fa ny faniriako dia ny ho eo anilanao
Jesôsy ôh! raiso aho
Raiso aho ho anao.
(X3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ekaleon Praise
Vangy : 17
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 27/12/2024 18:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5744