Ho mendrika Anao (Dinah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(1) Mahery setra loatra ny fanahy ratsy eto an-tany
Raha tsy manam-pinoana, dia tafalatsaka
Ny hetraketraky ny fiainana tena mafy
Ray ô, ny herinao, ny fahasoavanao
No aoko ho fitafy

(Ref)
Ianao no lalana sy fahamarinana
Ianao Mpanjakan'ny mpanjaka
Ô ampio zahay
Hahay hiova hanaraka hatrany ny lalanao
Ka ho mpandova dieny ety an-tany ilay fitiavanao
Ny fahotana, sy hadalanay ry Ray mba avelao
Amindrao fo zahay mba ho mendrika Anao

(2) Toroy anay ny lala-marina sy ny lalam-pitiavana
Hahaizanay hifankatia tsy hirafy, ho mpihavana
Fandalovana ihany eto an-tany
Fa ny tena izy any an-dantra any
Ray ô arovy izahay tsy ho diso làlana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dinah
Vangy : 574
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Avotra23
Daty : 20/10/2021 16:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732