Samia mamisavisa (Dedesse)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Gaga ihany aho f’efa isan’andro vaky izao
Raha mijery mamaky sy mihaino vaovao
Malahelo aho (Malahelo aho)
Manahy aho (Manahy aho)
Te hitomany aho e (ouh ouh)

Satria ny eran-tany tandindon-doza foana
Ary izany tsy mitsaha-mitombo isan-taona
Malahelo aho ho’aho (malahelo aho)
Manahy aho (manahy aho)
Te hitomany aho e (ouh ouh)

Nolazainy fa maro maty noana eto ambonin’ny tany
Ny tao Ethiopie no anisan’izany.
Nolazainy fa mifandatsa-dra ny any Yogoslavie
Mandimby ny tao Moyen-Orient sy ny tany Somalie.
Mamely izaitsizy ny horohoron-tany etsy sy eroa.
Hatrany Los Angeles, any Californie koa mba voa.

Taloha nogejaina ny mainty tao Pretoria
Toherinay izany fa anay ny tany hoy Mandela
Izao mandripaka ny colera, mieli-patrana ny sida.
Nodimbiasan’i Tchernobil koa i Hiroshima
Nampian’ny ady tao Kuweit koa,
Izany rehetra izany.
Tsy ho azo antoka ny tontolo iainana any aoriana any.

Moa ve ny tany no efa lany vatsy
Sa ny olona no miha ratsy
Efa hikatona ve ny lanitra
Sa mbola sazin’Andriamanitra
Araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa
Fa miharatsy izao fiainana izao
Ankatoavy ny tenin’ireo mpaminany taloha
Mba hiainana ilay Edena vaovao.

Tsy gaga intsony aho sady toa efa leo
Raha mandre vaovao amin’ny vatafampielezam-peo
Nefa manahy ihany aho ho’aho (manahy mafy aho)
Malahelo aho (malahelo aho)
Te hitomany aho e (ouh ouh)

Ny olombelona mifikitra handroso fahalalana
Toa izay indray vao maika mivadika ho faharavana
Manahy aho marina mafy (manahy mafy aho)
Malahelo izaitsizy aho (malahelo aho)
Te hitomany aho e (ouh ouh)

Tsy lazaina intsony izao fa ny fiainana efa be sorisory.
Nefa ny risoriso tsy vahaolana akory.
Nolazaina foana fa ny tanora no antoky ny hoavy
Nefa be ny mamoa-tsampona na lahy na vavy.
Koa mba zovy moa no omena tsiny
Ny ray amandreny sa ny zaza.
Sa ireo mpanabe izay efa leo ny mivazavaza

Nolazainy f’eran-tany tsy misy tsy mitaraina.
Amin’ny zava-mahadomelina sy atambo tsy tambo isaina
Mahazo vahana ny fanompoan-tsampy sy saindratsy ataon’olona
Koa tsy sitrak’Andriamaitra izany, ravany daholo izay foronina.

Aiza é,
Aiza ho aiza ny vahaolana
Samia mamisavisa
Mba hahatongavana marina amin’ny tena paradisa.

Tairotairo,

Toa rava, potika daholo ny regime communiste eran-tany
Ady antrano maneran’Afrika misaritaka aoka izany
Ny antsika, ento mora ihany. (ento mora ihany)
Fa ny lasantsy tsy ho lany (tsy ho lany)
Na dia izany aza, toa miha-miakatra ny vidin’izy ity.
Nefa kosa toa miha midina ny ekonomia
Mba tsara ny hamangiana matetika an’Irak atsy ho atsy
Sy Arabie Saoudite, ary Lybie koa fa miharatsy.

Tairotairo ihany.
Izay izay.

Toa efa maimbomaimbo korotan-dava sy ady antrano ny amintsika e
Karazan-doza sy kere arahin’ny adilahy politika e.
Samia mamisavisa (samia mamisavisa)
Tsy maintsy ho lavenona ny sisa
Lavenona hiparitaka eran’ny tany isika ity
Ka mety handitsoka ny mason’ny mpamily, ho loza ny dia.
Tsy fiara personnel anefa ity fa taxi-brousse
Maro aina afoy raha sanatria ka mikororosy

Ka hoy aho
Tsy hoe ny tany no efa lany vatsy
Fa ny olona no miharatsy
Noho izay, hodiovana ny tany aman-danitra
Araky ny tenin’Andriamanitra
Araraoty ny andro azo hibebahana
Fa ho rava izao fiainana izao
Aherezo ny finoana sy ny fivavahana
Mba hiadanana any Edena vaovao

Hoy aho hoe
Tsy hoe ny tany no efa lany vatsy
Fa ny olona no miharatsy
Noho izay, hodiovana ny tany aman-danitra
Araky ny tenin’Andriamanitra
Araraoty ny andro azo hibebahana
Fa ho rava izao fiainana izao
Aherezo ny finoana sy ny fivavahana
Mba hiadanana any Edena vaovao
Edena vaovao
Edena vaovao.

Araraoty ny andro azo hanaovantsoa
Samia mamisavisa
Fa miharatsy izao fiainana izao
Ankatoavy ny tenin’ny Tompo Jesoa
Fa hiaina ilay Edena vaovao
Edena vaovao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Dedesse
Vangy : 800
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 06/11/2022 23:38
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1101