TSINJOVY IZAHAY (Chorale Ampitatafika Firaisankina - CAF)

https://tononkira.serasera.org/hira/chorale-ampitatafika-firaisankina-caf/tsinjovy-izahay-1

Misy aminay ry Ray!
Miady saina mafy e!
Miatrika ady maro sy fitsapana koa e!
Dia mitomany irery toa takona tsy hita
Kanefa manantena Anao e!
Hitondra famonjena!

Jehovah Tomponay o!
Tsinjovy izahay e!
Jereo isan'andro, na aiza misy anay
Jehovah Tomponay o!
Matoky Anao izahay!
Fa lehibe tokoa, tsy takatray ny herinao!

Fa fantatrao ry Ray ny fahorianatononkira.serasera.orgy e!
Fa sarotra isan'andro ny olana sedraina e!
kanefa tsy ho kivy
Fa miandrandra Anao e!
Hitondra fanafahana
Ombam-pahasoavana koa

Jesosy Tomponay o!
Tsinjovy izahay e!
Jereo isan'andro, na aiza misy anay
Jesosy Tomponay o!
Matoky Anao izahay!
Fa lehibe tokoa, tsy takatray ny herinao!

A/C: Andriamahefason Jacky
Chorale Ampitatafika Firaisankina
Tous droits réservés
C.2015

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Chorale Ampitatafika Firaisankina - CAF
Mpamaky : 687
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Chorale Ampitatafika Firaisank
Tamin'ny : 12/08/2016 13:53:52
ID : 8767

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo