Fampitaha (Bouboul (RAMBOATIANA Etienne))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indreo vondron-drahona roa samy hafa
Etsy, etsy an-danitra ambony.
Tarafin’ny volana dia miombon-tafa
Ny alina, ny alina tony.

Ambiaty sy vero
Samy hafa faka, mifanila
Indreo miara-miondrika, miara-mitraka
Ny rivotra, ny rivotra jila.

Andalan-tsoratra sendra voarindra
Nasiana, nasiana feo
Nanjary kalo hafa indrindra
Manala, manala toreo.

Loharano roa tsy dia nampiraika
Zara hoe, zara hoe petsapetsa
Nony nihaona, indreo fa vao mainka
Namonto, namonto ny ketsa.

Loko ankiroa
Samy manana ny hasiny
Vony sy mena, ataon'ny mpiangaly
Amin'ny taratasy, meva, meva jerena

Fijery ankiroa samy manana ny tompony
Nahoana, nahoana reroy
No raha mifanena amin'izato fitopiny,
Nanjary nanjary tsiky
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bouboul (RAMBOATIANA Etienne)
Vangy : 1346
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/03/2019 10:52
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1211