TSY IZANY (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izay nataonao hahasambatra anao
Toa mandamoka, sy very lava izao
Tofoka ianao fa na tsara aza natao
Vao mainka koa maha-be fahavalo anao

Mihodina anao ireo niantranao
Ka na ireo aza niteny ratsy anao
Dia hiova ianao, izay no hevitrao
Fa tsinontsinona izay kely vitanao

Tsy izany no ahakivy anao

Tsaroana ery hoy ihany ianao
Izay mba fahotana kely vitanao
Tsy levona iny, voatanisa hatramin’izao
Ka mety hibaby hatramin’ny taranakao

Aleo hilaza izay manam-bava
Aleo hifosa izay olon-doza
Fa raha ianao madio toa zaza
Ny sainao, ny fonao izay no tandrovy

Hoy aho hoe :


Mpihira : bodo
Tonony : bodo
Feony : bodo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 6203
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ericka RAZAFIMANANTSOA
Daty : 04/06/2003 08:37
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125