Ny fahitana anao (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iriko foana ny hahita Anao
Hitoetra eo anilako
Hanao ireo teny mamy fanaonao
No ilaiko hoheno rahateo.

Kanefa izaho toa tsy izaho intaony
Noho ny fahitako Anao
Toa analany,toa ampitomboiny
Omeny toetra vaovao.

Fa izay rehetra nokendreko
manjary adinoko avokoa,
Ianao no masaka ao an-doha
Toa tsy mahita izay jereko
Ireto masoko ankiroa
fa jamba aminao tokoa
Ny sisa azoko atao, dia ny manankina aminao
ny androm-piainako hatrizao.

Indraindray aho toa alaim-panahy
Hisara-dalana aminao
Ny ato am-poko anefa dia mandà
Fa efa babo tsotr'izao

Izay manintona aminao tsy haiko
Fa reko fotsiny amin’izao
Angamba koa tena efa voa ny saiko
Noho ny fahitana Anao.

Fa izay rehetra nokendreko
Manjary hadinoko avokoa
Ianao no masaka ao an-droha
Fa tsy mahita izay jereko
ireto masoko ankiroa
fa jamba aminao tokoa
Ny sisa azoko atao, dia ny manankina aminao
ny androm-piainako hatrizao.

Fa izay rehetra ....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 13155
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Jovany
Daty : 26/11/2005 11:53
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133