Rakalakely (Billy Vahatra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola teo ny masoandro nanazava lalana
Tsy nohararaotinao nandehanana taty.
Efa maizina ny andro izay vao fanimpanina
Vao tafitohin'ireo vatokely foana indry

Very fotoana teny ianao Rakalakely,
Manafosafo tongotra nandaka vatokely.
Fotoana fohy monja no nialako dia indrisy
Tsy tazanao intsony aho fa takona sy dify.

Tao alohaloha tao nisy lalana mahitsy,
Nahafahako nitazana sy niandry anao koa.
Indrisy anefa hoy aho f'efa maizim-be mihitsy
Tsy afaka nifankahita intsony isika roa.

Very fotoana fotsiny aho Rakalakely
Raha mbola hiandry anao izay tsy ho hita velilvely.
Naleoko ihany aho nandeha nanohy ny lalako,
Fa resin'ilay haizimbe ny fanantenako.


Dia roso aho, nandeha aho
Nahita trano anakiray.
Dia tao no nampandroso ahy
Izay olona iray izay e.

Nandroso tao aho, niala sasatra,
Nifankahalala sy nifankahazo fo zahay.
Angamba ianao angamba fa tsy fantatra
Nandalo teo ihany saingy tsy voajerinay

Diso famindray ianao Rakalakely
Tsy hainao tokoa ny niala ireo vatokely
Izao ianao nanjary naratra tsy fidiny
TSy ananako intsony izay mba fanafodiny.

Very fotoana teny ianao Rakalakely
Voafingampingan-dava teny andalanao teny
Ireo vatokely tsy azo foanana.
Satria izy ireo, mba haingon-dalana.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Billy Vahatra
Vangy : 513
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 14/02/2022 18:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014