Ho anao (Billy Vahatra)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aingam-panahy niserana kelyVao tsy ela teo
Namboariko ho tononkalo
Dia nasiako feo
Dia nanjary lasa hira
Atolotro anao
Hanome fifaliana sy fiainam-baovao
Hitahiry hafanana ao anatinao
Ka ho hery itana ireo dina natao
Te handalo aho hijery anao
Te hampiantso aho hahita anao
Indrisy e lavitra ny elanelan-tany
Ka ny hirako ho anao no soloko any.
Ho anao (x3)
Fanantenana, fiandrandrana ity hira ity
Hananatra ahy, hanafatra anao hanaja fitia e
Ka ny hirako hiraina vetsoy lalandava
Satria izy no handresy izay mitady handrava
Ireo hirako henoina, raiso ao am-po
Fa tsy laitra ho vonoina ny antsika roa
Tononkalo nanjary hira
Tsy angano, tsy arira
Fa hamelana hamoa fitiavana iray
Hofatoran’ny fo ho mandrakizay
Ho anao (x 3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Billy VahatraVangy : 840
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 14/02/2022 18:10