You are here: home > Tononkira > Baobab

TANJONA (Baobab)

Na ho faly ianao, na te hilalao
Na aoriana tojo zava-tsarotra
Aoka ho fantatrao hatramin'izao
Hiaraka amiko ka aza mba matahotra

Oh! Tokatrano soa hiadana tokoa
Hifanohana sy hifanarina
Ka hifanasoa n'inoninona hanjo
Izay no tanjona ho tratrarina

Ho kolokoloiko, ho safosafoiko
Ireo zanatsika rTsiky dia ampyahatrizay
Ka na fifaliana, na ho fahoriana
Dia ho sambatra aho mandrakizay

Ireo fakampanahy izay manantona ahy
Ka mitady hanapaka ny fatotra
Ho toheriko amin'ny heriko
Aza mba manahy foana na matahotra

Oh! Tiana sy tia no tafaradia
Hifanohana sy hifanarina
Ka tsy hifandao n'inoninona atao
Izay no Tanjona ho tratrarina

Mpihira : Baobab
Mpamaky : 187
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : aldama
Tamin'ny : 25/05/2021 11:23:25
ID : 13487

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo