Get United (Anyah)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
N’aiza n’aiza misy anao
Vita hatreo ny taloha
N’eto Dago na any am-pita
’Ty vazo zava-bita
Vazo vao tena mafana
Ambony ambony mari-pana
DUW foano ny tomany
Avelao any izany
DUW ataovy mafimafy
Ho re hatrany an-dafy
Ty hiaka iray vaovao
Hozarainay aminao

Mitsangana mifalia
Ndao hi party
DUW izy io ka hifalio
DUW anao, DUW anà
DUW izy tsy vita vazaha
Mitsangana mifalia
Ndao hi party
DUW izy io for you for me

Lay tontolo iray vaovao
Voatokana ho ahy sy ho anao
Vazo manja hampiray
Fitafy gasy te milay
DUW adinoy ny hakiviana
Bye bye ra fahoriana
F’efa hiaraha mahita
Vita gasy de tafita
Raiso ny tanako
Meteza ho namako!
Ka manomboka anio
Hiara dia izaho sy you!

Ref:

Ray, ataovy milay, ataovy mafimafy hoe oay!
Roa, ahetseho ny loha, ataovy moramora hoe ooooh!
Telo, isa roa telo foana ’zay ny alahelo
Efatra ’sika rehetra falifaly tsisy fetra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Anyah
Vangy : 3078
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 23/03/2006 13:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733