Miantso anao Ray ô (Antsan'i Fenomanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ety an-tany efitra mangina tsisy mpijery
Ray o! Aiza ianao?
Ory mahonena fa singan'olona irery
Ray ô mahatsiaro anao
Aza afenina ahy ny tavanao
O! Miantra, mamela, tsy mendrika aho

Refrain :
Miantso anao Ray ô, miantso anao e !
Tolory Tanana fa mora resy raha lavitra anao
Miantso anao Ray o, miandrandra famonjena e
F’ianao no lalana sy fahamarinana ary fiainana

2- Asandratro ny tanako mangataka aminao
Ray ô ! mino anao
Toroy ny lala-marina aho fa io no sitrakao
Ray ô maniry anao
Mba valio ny sentoko fa antra ianao
O! Ry Tsitoha, be indrafo fo, misaotra anao

Antsan'i Fenomanana
Aut/comp : RANDRIANARIJAONA Henri 13 Janvier 2015
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'i Fenomanana
Vangy : 609
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tsiorihasinavalona
Daty : 09/12/2019 15:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1088