Tsy ho foana (Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY HO FOANA NY FANANTENAKO

1- Tsy ho foana ny fanantenako Anao,
    Tsy ho foana io Andriamanitra ô
    Ilay maraina vao mifoha
    Ao am-bava sy ao am-poko ao
   Satria na inona atao na aiza alehako,
   Iandrandrako saina avy Aminao
   Fa Ianao mahefa ny asa rehetra,
   Tsy ho foana ny fanantenako Anao.

Ref : Tsy ho foana raha mbola hisy koa ny               farany,
         Vatolampy manodidina ahy Ianao,
        Ka ataoko am-pifaliana, tsy asiako   fanahiana
       Izay rehetra asa fanompoana iantsoanao,
      Tsy ho foana raha mbola hisy koa ny farany,
      Tsora-kazonao mahafa-tahotra ahy,
     Mbola eto am-piadiana aho, mety handalo  fahoriana
Izany rehetra izany hanantenako Anao.

2 - Tsy ho foana ny fanantenako Anao
     Ry Andriamanitra ao an-danitra ao,
     Tsy ireo sampy marobe, na ny harena, vola be
     Fa ilay fiadanam-po fonenanao...
     Satria misy fifaliana ao anatiko ao,
     Ka tsy amoizako ny teninao,
     Misy aina sady tohan'ny fanahiko,
     Tsy ho foana ny fanantenako Anao.

                           HOSANA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana
Hits : 105
Likes : 0 Like
Created by : Tiernan
Date : 19/10/2025 06:13
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1508