You are here: home > Tononkira > Anj'art

Andao hikorana (Anj'art)

Hira hira no kalonay
Entinay ho fiharabana
Fo sy saina tinay hiray
Faly ianao ka ho tamana
Vao fiandohana fotsiny nef'izao
Mbola maro ny hafaly anao

Fiverenana:
Aza miala fa mijanona
Hatramin'ny farany

Hikorana hifaly anie 'sika
Alefaso ny mozika
Ka ataovy zay azo atao
Sy 'zay mety hafaly Tsiky dia ampyanao
Ndao mba hiaraka hiala voly
Hadinoy zay mety hampahory

Fiverenana:
Aza miala fa mijanona
Hatramin'ny farany

Fa tinay raha mba hampahery
Ity andro iray ity
Zay atao de tsisy an-tery
Ny tanjotsika hifankatia
Ka andao hiaraka hikorana
Ny mifaly de tsy mba rarana
Fiverenana
Aza miala fa mijanona
Hatramin'ny farany

Mpihira : Anj'art
Mpamaky : 285
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Herya
Tamin'ny : 10/03/2021 18:00:52
ID : 13367

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo