You are here: home > Tononkira > Anj'art

Andao hanao hoatranay (Anj'art)

https://tononkira.serasera.org/hira/anjart/andao-hanao-hoatranay

1.Mahafaly anay ny miarahaba
Ka zao hira izao no vetsoina
Ho marikin'ny hafaliana
Noho ireo taona 'zay nanompoana
Tsy hainay 'zao ny tsy hisaotra
Ilay Ray 'zay nisy hatrizay
Satria lasa nanararaotra
'Reo fotoana nomeny anay
Dia nanao 'lay asa tsara indrindra
Ka niezaka niova famindra
Fa nanao 'zay rehetra azo atao
Dia 'zao 'zahay tonga amizao

Fiverenana
Ka andao hanao Hoatranay
Jereo 'nie fa hiatsara indray
Ny fanompoanao dia ho fiainanao
Hoatr'izao efa antaonay 'Tsiky dia ampyzao

2.Fa ny hafalianay tsy ho anay 'rery
Ka tianay mba ho tsapanao
Aveo dia ianao no hampahery
'zay 'lay asa maika ho atao
Amboary ary aloha ny fotoana
Ka 'zay zava-dehibe atao
Ny ezaka ataonao 'nie tsy ho foana
Fa eo lay tontolo vaovao
Dia ny asan'ny mpisava lalana
Tsy hoe asa tsy maintsy atao
Fa tombotsoa ho an'izay afaka
Ka jereo sao misy azo atao

Fiverenana
Ka andao hanao Hoatranay
Jereo 'nie fa hiatsara indray
Ny fanompoanao dia ho fiainanao
Hoatr'izao efa antaonay 'zao

Anj'art Prod !!!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Anj'art
Mpamaky : 215
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : herya
Tamin'ny : 05/02/2021 22:46:08
ID : 13343

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo