Talahon'ny Zanaka Adala (Anja AN.KA.FI.)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Oooooooo, Vonjeo aho vonjeo aho mba raiso aho!)Ny fiainako Raiko ô refa nandao anao
Nanaraka ireo lalandratsy zay tsy sitrakao
Nanjaka ny haratsiana ny alahelo sy ny fahoriana ary ny hakiviana ka
Namotika ny fiainanay aaa
Nandao ilay Ankany soa ka niafara any ambalan'Kisoa inty Zanaka adala anao
Tonga saina aho ka hody hitalao
Inty aho ry Raiko ilay maditra anao
Izay tsy mendrika intsony atao hoe Zanakao
Hataovy tahaka ny mpanomponao ka
Diovy aho ka amindrao fo reo lasa ratsiko re hadinoy
Ka mba hekeo re aho ka raiso ho Zanakao indray
Tsy misy fifaliako ety afatsy ny antranonao raiko tia
Zay feno hasambarana sy fiadanana mandrak'izay
Ny tenako Jesosy ô raha lavitra Anao
Satana no tonga nandrombaka ny fiainana
Voageja ny fahotana aho noho ireo ditra sy ny hadalana
Tena mihosombovoka lavo tsy tafarina aaa
Nandao ilay Tompo tiana aho ka dia feno fangirifiriana ity mpaniasiaka
Hirery tsy misy piahy
( Inty aho Jesosy ô raiso ho Anao
Inty re ny tenako ka anjakao
Ny momba rehetra no atolotro Anao ka
Diovy amin'ny ra anao soa reo fahotako rehetra taloa
Ka hamasino aho ho tonga Olombaovao indray
Tsy misy famonjena ety afatsin'ny Anaranao Jeso tia
Ilay lala-marina sy fiainana mandrak'izay × 2 )
Jeso lalamarina izay mitondra makeo aminy Ray
Ka ireo Zanaka adala dia ho tonga Zanaka indray
( Eeee!!! Ry Zanaka adala izay feno fahoriana noho ireo safidy izay natao!?
Ny Rainao be fitiavana tsy sasatra mitazana miandry manatena ny fiverenana )
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Anja AN.KA.FI.Vangy : 20
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : olysoa
Daty : 03/12/2025 21:26
