Tokam-po (André Titys)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia lasa ianao ry tiana tsy ho hita intsony
Niova lasy indray eny any ho any
Tapa-kevitra ny handao izany fony
Hisentosento ka hijaly sy hitomany
Izay efa tsy tiana ho aiza moa
Na maniry aza hiaraka aminao e
Voatery mangina izay rehetra efa voa
Ka indrisy tsy hita izay atao

Dia lasa ianao ry tiana tsy ho hita intsony
Niova lasy indray eny any ho any
Tapa-kevitra ny handao izany fony
Hisentosento ka hijaly sy hitomany
Izay efa tsy tiana ho aiza moa
Na maniry aza hiaraka aminao e
Voatery mangina izay rehetra efa voa
Ka indrisy tsy hita izay atao

Ny vorona manidina no lasana any ho any
Ny tena koa dia tsy mba toy izany
Ny andro dia ny ora koa miova hatrany hatrany
Ny foko kosa anao irery ihany
Raha mbola velona na eto an-tany

Ho tantanana eny sisa no azo atao
Arahin-tsento ranomaso mikoriana
Atao ahoana moa f’izay no safidinao
Koa veloma mahità izay irina
Raha sendra mba tsaroana ‘zay efa vita
Na dia maro aza ireo vaovao e
Kanefa tsapanao ireo ventso niampita
Tokam-po ny aty efa fantatrao

Ny vorona manidina no lasana any ho any
Ny tena koa dia tsy mba toy izany
Ny andro dia ny ora koa miova hatrany hatrany
Ny foko kosa anao irery ihany
Raha mbola velona na eto an-tany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : André Titys
Vangy : 364
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : odilonfrederic1
Daty : 30/05/2023 10:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744