JESO NO HIFALIAKO (AMIF( Antoko Mpihira Imerintsiafindra Fiderana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
JESOA NO HIFALIAKO

1- Indro fa tonga ny noely
'Lay andro tena firavoana
Ho an'ny olona rehetra
Manerana izao tontolo izao
Ny ahy kosa ato an-trano
Dia tsy mba misy hoe ahoana
Satria tsy hita atao ahoana
Ny am-pelatanana
Na zany aza hifaliako
Izao andro anio izao
satria aiko fa Jesosy
No tonga hamonjy ahy
Tsy eo i dada sy i neny
'Lay loharano nipoirako
Kanefa tsy mahatsiaro irery
Rehefa eo JESO

2- Ny ahy efa isan'andro
Amoron'arabe ny fiainana
Ka na oram-be mivatravatra
Dia eo no miandrandra ilay mpamonjy
Mahatoky sady manantena
Fa hovangian'i Jeso zoky
Hiara-hitoetra anilako eto
Hitafo lanitra
Na zany aza hifaliako
Izao andro anio izao
satria aiko fa Jesosy
No tonga hamonjy ahy
Na tsy fisiana toy ny ahoana
Tsy misy fitaviana vaovao
Ianao JESOA no hifaliako
Midira am-poko ao

3- Izao dray mo mba ho aiza
Fa ato am-poko no hifety
Aretin-dava no mitaiza
Tsy afaka na dia hiangona
Tsy anilan'ireo hava-tiana
Tsy an-tokatrano tsy akory
Fa ny mpitsabo ambony indrindra
Ho ho avy amiko
Na zany aza hifaliako
Izao andro anio izao
satria aiko fa Jesosy
no tonga hamonjy ahy
Ny fahoriana tsy ahoako
Fa ny fiavian'ilay mpamonjy
No tena fety andrandraiko
Izao anio izao

4- Izaho ko hisaotra hatrany
Na dia voafonja aza aho hifaly
Satria jeso tsy manasazy
Fa tiany aho hiverina amiNY
Hiara hitoetra ao an-dapa
ka mba ho isan'ny voavonjy
Ka tsy ho very anjara akory
Na dia mifatotra
Na zany aza hifaliako
Izao andro anio izao
satria aiko fa Jesosy
no tonga hamonjy ahy
Na mbola hisy firy taona
No hitoerako am-ponja
Ny hany fantatro dia izao
Efa olon'afaka aho....Efa olon'afaka aho
Efa olon'afaka aho

AMIF(Antoko Mpihira Imeritsiafindra Fiderana)
Desambra 2019
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMIF( Antoko Mpihira Imerintsiafindra Fiderana)
Vangy : 674
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zoniainadina2017
Daty : 13/01/2020 01:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074