Medley (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Impiry moa,
No nolazaina ianao
Mba hiteny aloha
Vao manao ny atao
Avy eo mitanondri-dava
Toy ireny resy lava
Tsy sahy mitaraina
Hita rera-tsaina.
Tsy teo hoe aho
Ka nahatsiaro irery ianao
Sa aleonao irery
Amin'izay tsy miery
Saingy tsy fantatrao
F'izay fotoana izay
Tsy mba ho azonao

Averina indray.(x2)

Nila ahy ianao hatramin'izay
Dia teo aho
Raha mila ahy ianao anio
Dia ho eo aho
Tsy irery ianao fa teo foana aho
Ary ho eo aho
O o ooo!

Raha irery ianao
Dia irery aho.

Oh! ooo!
......................
Niantso aho nitady anao
Niherika nitoditodika
Fa maizina, hody am'izay
Efa handeha ireo olona maro be
Nikaroka aho, manahy sao efa lasa ianao
Miandry koa, tony ny fo
Sao mba izaho no tonga aloha.
Oh ooo oh!

Saika hitsena aho
Mba nanantena aho
Hoe ianao efa eo, miandry ahy
An an an an!
Ny fantatro aloha,
Atsapanao ihany koa
Na amin'ny firy na amin'ny firy, miandry aho.
.....................
Lasa tsy hita any ho any
Lasa tsy norarany
Lasa fa tsy tamàna
Lasa tsy tàna.

Safidy ny azy,
Leo hono izy ka ny fo
Nandaho ka atao ahoana moa
Sitrapo sy safidin'ny fo!

Nilaozany (nilaozany), avokoa (avokoa)
Tsy nisy napetrany
Na ny ratsy na ny soa
Izay koa no fetrany,
Manirery (manirery) tokoa aho (tokoa aho )
Niseho tsy nivaky loha
Mahatsiaro marary
Voadona ity fo!

Nilaozany, avokoa
Tsy nisy napetrany
Na ny ratsy na ny soa
Izay koa no fetrany,
Manirery tokoa aho
Niseho tsy nivaky loha
Mahatsiaro marary
Voadona ity....... fo.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 1708
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 11/03/2019 16:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732