Maraina vao (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mafana ny loha toa faharariana
Alahelo koa mameno ny fo
Tsy hita ho afindra
Tsaroana avokoa ireo fanahiana
Nahalasa ambiroa, nankarary koa
Toa fijaliana
Adin-tsaina hatrany mila hitomany
Manantena fa indray andro any
Ilay ampitso hifoha hiorenan-tsoa
Ho tantara sisa izany

Maraina vaovao no hihiratra indray
Feno hafanana hiposaka ho ahy
Haneho ny soa
Ho feno tsiky ihany ny foko kely hitalaho

Miandrandra tokoa tsisy hakiviana
Hatraka ny loha, be hambom-po
Toa tsara rindra
Adin-tsaina hatrany no mampitomany
Manantena fa indray andro any
Ilay ampitso hifoha hiorenan-tsoa
Ho tantara sisa izany

Maraina vaovao no hihiratra indray
Feno hafanana hiposaka ho ahy
Haneho ny soa
Ho feno tsiky ihany ny foko kely hitalaho
Fa maraina vao no mihiratra indray
Ilay hazavana hamalifaly ahy
Ho ravo tokoa
Feno tsiky toa ankizy kely milalao
Maraina vao…

Tsy misy afa-tsy ianao ihany no hitady anie
Sy hijery izay mety ho anao
Fa ny anjaranao re tsarovy fa omeNy eo ihany

Maraina vaovao no hihiratra indray
Feno hafanana hiposaka ho ahy
Haneho ny soa
Ho feno tsiky ihany ny foko kely hitalaho
Fa maraina vao no mihiratra indray
Ilay hazavana hamalifaly ahy
Ho ravo tokoa
Feno tsiky toa ankizy kely milalao
Maraina vao…

Tsy ho very anjara akory ianao, mitsangàna mitrakà
Ny ampitso hifoha anie no hitondra indray ny hafanana
Fa matokisa hatrany ka mijoroa fa efa voasoratra Any
Maraina vao no ho avy hitsena anao ka aza manahy
Maraina vao…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 12886
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 07/03/2018 11:53
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012