Fay (AmbondronA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aiza no hisy toa anao indray?
Toa vao mifoha aho dia efa may
Asa fitia tokoa ve ny ahy?
Inona no atao?
Lasa ambiroa nefa tsy sahy
Raha niandry koa anie toa tsy hay
Ny feonao no re mandrakotra ahy manontolo

Ref: Izao aho tena fay!
Tsy hamerina intsony, efa fay
Aleo mba fiainana milamina
Ndrao mantsy hianjerazera lahy
Be ny efa natao
Soa lavo hahay hamindra izay
Ho hakana lesona, hanitsiana hatrany
Sao hanenenana eto indray

Mafy, toa niady irery hatrany hatrany
Manjombona endrika tomany
Fa aiza ihany no hiafarana...
Hiezaka aho ny hanao
Izay mahasoa f’aza manahy
Fa rano raraka ny omaly
Ataoko anatra, tsy ahavoa ahy intsony

Ref: Aok’izay fa fay!
...

Efa nanaiky aho hoe mba diso ihany
Aleo hijanona ho lasa izany

Aok’izay fa fay!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AmbondronA
Vangy : 3375
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 07/03/2020 09:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2268