Tantaranay (Al K IdatClan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
intro:
Yeh..tantarako...tantaranao...tantaran-tsika
Mbola eo foana, za sy enao

rap:
Za vo natazana dia babo ka tsy nahay nanadiady
Fa namboraka avy hatrany ny fihetsem-po zay tato anatiko
Tsy tantiko mantsy ny natsapa fa velona eto indray
'Lay fitiavana neveriko efa maty hatramin'izay
Eny niezaka aho nanadino fa tsapako nangidy
'Lay safidy nataonao mba hampisampana ny dia
Satry,, everinao fa mety hasambatra izy ty
Ka naleonao nalevona nariana 'lay fitia
Nefa akory ny hafaliako raha nare 'lay feonao
Mibitsika, mikitika ny atim-panahiko rehetra any
Fa kay ny tany aminao tsy mbola maty
Fa natanty ny elanenalana nisopatra navita nampisaraka
Nefa indrisy tafiaraka fa tsisy mandeha irery
Amin'ity lalan-tery tokana ahitana fahasambarana
Hafantarana ny tena hamamim-piainana eto an-tany
Toa tantely tsy arahim-bahaona izy 'ty ka tsy ho lany

refr:
Fa mbola ilay fitiavantsika hatrizay
No mbola velona miaina hatramin'izao
Olon-droa tsika no nitambatra ho iray
Ka n'iza n'iza handrava za tsy hiala aminao eeehh
Maro ny tia fa ianao no safidin'ny foko
Efa enao 'lay tokako nambabo tsy ho soloiko
Ka tsy hiemotra aho sanatry
Fa hanaradia anao hatrany 'zay no voady atako eeehh

rap:
Tantaranay toy ny halaelo takatra:raha faly niara nitokaka, niara nitokiky
Ny hasambarana efa hita fa tsy ho ritra
Na indraindray aza aho namitra
Tsy mba vita na dia teo aza reo ditra
Fa mavesatra mafonja 'lay fitiavana
mandravona zay ady lasa zavona,
manjavona vofatotra to mihazona
fa lavina avy hatrany 'zay nisopatra
'lay lalana iraisanay 'zay diavina amin'izany
Satry mamy, ka tsy lany, 3 taona zay mitohy ihany
sady ireo namana nanohana nameno fa tsy niala
Nampiray anay raha sendra nisy hatrany ny hadalana
'zay nandratra fo anay ka mety ho sakana amin'izany
Na dia 'zany tao ny fikirizana, na dia vizana ary zay
dia nizingizina niray, fa nlay 'lay le paradisa nanjakana
nahitana fiadanana ka isaorana 'lay Tomponay nitantana hatrizay

refr:
Fa mbola ilay fitiavantsika hatrizay
.....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Al K IdatClan
Vangy : 1707
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : stef16
Daty : 04/09/2016 15:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073