Mbola mahatsiaro (Al K IdatClan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitoto, mivezivezy, mitady olon-kafa
Hanadinona ireny lasantsika roa
Mba tsy hifoha intsony, 'lay fitiavako anao sy ny fitempon'ny fo
Isan'andro aho mahatsiaro, isan'andro aho manembona
Te hiantso mba te hiteny
Nefa tsy mety ary ka inona no atao
Dia hionona ny saiko f'ianao tsy ho ahy
Efa niezaka ny hanao zavatra aho
Hanadinoana anao

Mbola mahatsiaro anao, mahatsiaro ireo zavatra vita
Mbola mitady anao, mba hamerina ireo lasantsika
Fa raha ny ditra nahatonga ireny
Dia hifonako aminao satria
Ny tenako tsy anjely
Ka tsy fantatro izay ataoko akia

Rap:
Indray mande ve no mba manta vary
Sanatry handevi-sotrobe
Hoe zay ny filamatra ataoko ato an-tsaina
Mba tsy any aminao no hivadian'ny saiko
Mba tsy any aminao ny hankarary ny aiko
Tsy haiko hoe zay 'lay fitia tena tia
Dia any aminao no handeha ho taraiky
Satria tena love aminao, tena latsa-paka aminao
Mitodika havia, mitodik' ivoho, mitodika havanana
Ohatran'ny tsy manana sipa fa any aminao no alehan'ny saina
Tsy eo anilanao aho dia very mangaina, miangavy aminao, mitalaho aminao
Mba henoy f'efa mitaraina tsy eo anilanao aho tsisy ho tantaraina

Mbola mahatsiaro anao, mahatsiaro ireo zavatra vita
Mbola mitady anao, mba hamerina ireo lasantsika
Fa raha ny ditra nahatonga ireny
Dia hifonako aminao satria
Ny tenako tsy anjely
Ka tsy fantatro izay ataoko akia

Rap:
Mandefa sento mitempo ny fo raha vao hariva iny ny andro
Ny ato an-doha tsisy afa tsy ianao irery voatery nisaraka nefa izao
Inona no atao fa ianao lavitra ahy, silam-panahy mba niriako eto akaikiko
Ny life-ko no efa mihasarotra, tairiko irery fa sao dia tsy zaka
Fa mitraka, na ny fery nangoka ny foko efa tsy hita nanjavona
Zary zavona be ny alahelo ka nefa tsy lavina ihany fa tia aho
Ka ity aho mba hanampitra sy mba hamita ny tsara tsy nisy
Nefa indrisy diso fidirana nifirany tampoka fa tsy napoizina
Na ny poizina mety tsy hahafaty tsy tanty fa aleo aloha mankatsy fa mety any izao
No mba misy hasambarana feno (misy hasambarana feno)

Mbola mahatsiaro anao, mahatsiaro ireo zavatra vita
Mbola mitady anao, mba hamerina ireo lasantsika
Fa raha ny ditra nahatonga ireny
Dia hifonako aminao satria
Ny tenako tsy anjely
Ka tsy fantatro izay ataoko akia
--------
Rohy:
Hevitra
Safidimalala ( 26/10/2016 16:14)
tsara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Al K IdatClan
Vangy : 1792
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : aliniaina
Daty : 18/07/2016 16:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5387