Ny ho avy (Al K IdatClan)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ankehitriny efa manomboka very tsika
Mia-tery mantsy le lalana mitondra amin'ny fahombiazana ry neny satry
Ny alikaola, ny setroka, ny zava-mahadomelina
No penina ampiasain'ny tanora tsy handroso fa miverina
D miandry dona-piainana miainga
Tsy lainga mantsy fa ny lova tsara indrindra no mamelona ao aorina
Notokina, notakina ka hirina mba ho tafa amin'ity fiainan tsy andairam-pijalina
Fa ze eo no hiafina ka

Tolona no ataovy tsara tatana
Fa fiainana ef sarotra ka mila miavotra, d mila miharitra, d mila mihafy
Satry mafy ny onja nefa!!
Tanora vory saina maro very
Falemena no mandravaka azy, lalana nodiavina io no hizorana io ka indro ho solafaka eny ampandehanana ka
Maty ampanidinana izy, milomano anaty fahaverezana, enta-mavesatra

REF:(x2))
Efa fantatra fa tsy ho tafita enao ra amizao
Varina lotra tsy mijery ny ao aorina fa milalao
An'lay fototra tokony ijoro Ny Ho Avy
Fiainana mitoy foana sao ao aorina vao hifampitady

Fianarana tsy an-tery sao enao mieritreritra fa tsy fitiavana ra toa be tatasika reo ray aman-dreny
Dieny zao, ny saina atanilao amin'ny fanomanana sy fanamboarana zay rehetra ho avy nao
Tsy kilalao ty ka, na vakiraokam-piainana fa
Lay fiainana ao aorina aloha banjinina sy harenina
Sao nenina no hitazana amin'ity fiainana efa mazana
Tsy ho tazan'reo namana zay niaraka latabatra

Tsy nety ny azy fa fafinaretana vetivety
Nampanetoeto sy nampisesisesy an'ireto olana mianjady
Zao na vady hikarakara, na namana niara-dalana
Tsisy hita fa samy tsisy te halala
Nefa ny azy vava ray sahady zao no efa fahanany
Any hany kely fananana zay eo ampelantanany
D nenina, halahelo, tomany sy ny tariny
Zay heverina fa mety havelona sy habE ty zanany

REF:(x2)
Efa fantatra fa tsy ho tafita enao ra amizao
..........
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Al K IdatClan
Vangy : 1621
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : aliniaina
Daty : 17/07/2016 10:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072