Tandremo (Aina Cook)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ref:Tena hajao ilay fitiavanao
F’efa nisy ireo nanenina talohanao
’Zay nanao kilalao , ka tsy nisy nitia intsony hatramin’izao
Ditra androany anie ho vita ihany
Ny an’ny ankady no tsy tanty izay no hiafarany
Kanefa dia ho izany
Raha izao hita izao no ataonao

Ny vola sy fitia mazana
Mahatonga hadalana
Ho an’izay tsy maha-fehy azy
Raha vao manomboka ny anao
Hatsaharo dieny izao ,mba tsy hanenenanao

Ekeko fa mandalo ihany , ’zany hatanorana izany
Nefa dia diniho hatrany
Raha vao manomboka ny anao
Ajanony dieny izao
Hatreo ny fiainanao

ref:

Ny ho avy tsy hay refesina ,
Tsy ho hay faritana ,na koa ho fantarina
Ny anio no hitarafana
Ary hanomanana ,hanafaonana
Rendrarendra natao

ref:

Aina-Tiana-Andry
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Aina Cook
Vangy : 3334
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mirana
Daty : 29/08/2004 10:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0791