Fair play (Agrad)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Yeahhh, atolotro ho an'ireo iray petsapetsa
Atolotro ho an'ny mpankafy ah rehetra,yeah...
Atolotro ho an'ny lascar an'ny quartier, ireo kofboay ela tsy koboko
Ato ampoko ny toeranlisany

Couplet 1:
Yeahhhh
'Zah taizan'ny arabe mitovy amin'ny 4-mi sy ny adala
Fiainana bas-quartier ,zah efa teo no niala
'Zany teny hoe kivy 'zany esoriko anatin'ny rakibolana
Mitraka foana ny lohako na de bobaka aza ny olana
Tiko foana hiborotsaka, miaraka amle volo lava
Fa tsy avelan'ny taona ah,ny ho aviko mbola tsy mazava
Ny harenan'ny dadako tsy anah sy trano be ho lovaina
Fa akotranle fahaiza-miaina, 'zay nafafy no jinjaina
Fiainana ohatran'ny box, misy fotoana ah mety ho mangana
Zah vonona ny handresy, ka na marary aza mitsangana
Ohatran'ny karatra rami io, tsy ilaozan'izay midofotra
Maka bahana ah raha mihataka, fa tsy sanatria andositra
Zah te hiala am galère, fa raha tafa ah de tafa miaraka amiko koa ny frère
Ka aleo zah mba hikiry, asivo toerako ao amponlisany raha misy fotoana ah tsy hita firy
Zah tsy hoe ho aiza akory, eto antanana ihany 102 negga.


Couplet 2:

Yeahhhh,
Raha tsy maintsy mandoalika, mivavaka ah fa tsy hoe resy
Tsy hiondrika intsony ah, f'efa ampy ah ny fijaliko ny taona maro nifanesy
Ny fanambanimbaniana, voahavakavaka ah matetika
Nampipoitra ny hambom-poko reny tsy sanatria nampilentika
Dia tsiaro ho an'ny akama izay niara voatondro molotra
Rehefa tonga ny fetin'ny reny tsy manana cadeau hatolotra
Teny mamy sy fahendrena, zay no atao valimbabena
Be mokon-doha fa mankato, izay no matonga ah tsy mitevika ny vatako tsisy tatou
Ny manodidina ah mifoka, fa fanambiko tamin'i neny hoe
Aza atsoina zanakao mitsy ah raha mikasika an'ireny
Zah sy ny mpi-sôra sahala, ny paosinay samy tataka
Ny azy lany amin'ny sigara, ny ah mba omeko ny mpangataka
Ohatrin'ireny no niandohako ka rariny raha tsaroako foana
Ohatrany oe vao omaly ny zandriko nitomany hoe maty noana
Nitaraina fa nijaly, tsy star ah fa mpisolo tena ny gasy toa ahy marary


Couplet 3:

Yeahhh,annh,
Tsy adinoko na tsy ampatsiahivina hoe ny rap mbola tolona
Samy hidongy ho ambanitany, rap gasy ve ho kobon'ny olona
Hajaiko ny anlah, ny ah iny ohatran'ny hotely
Handalovako, fa tsy hijanonako velively
Miala tao ah rehefa voky kotrana, fa tao ah no lehibe
'Zay no mahatonga ah na opainlah aza tsy miontsana
Mbola rap gasy ah ka mahatsiaro ny ana-*******
Tsy mijaly misaotra an'i Don ah nanomboka tamin'i "lol"
Mbola rap gasy ah ka manaja an'izay mendrika
Ho an'i Da-Hop,Raboussa, miala satroka ah dia miondrika
Mbola rap gasy io ka tsy hilaozan'ny adiady
Teneno izy fa efa mihavana Tsekmah sy Agrad
Mbola rap gasy io ka tsy adinoko ny fihaviko
102,foko iray, tsy adinoko ny fihafiako
'Lay diantongotra lava, Ambop's sy Andoram
Lany anaovana prise no tokony frais ana vam

Yeah,yeah..smalllll
Yeah, rehefa tsy teo elah tamzah nijaly
Dia aza eo koa lah rehefa zah mifaly
Yeah, fa soa fa tsy nijery vehivavy no nandanako tany ampiangonana,  fa nvavaka
Jereo fa lasa zay ndray zao no ialonana, fa ny fotoana anaovana ny tsara ary tsy ampy
'Zay tsy amaly ratsy ny ratsy, fa na ho ela na ho aingana
Hiova fo lah atsy ho atsy, yeahh....Agrad, yes, Grad & Skaiz./


                                                                                                            By Andrie Aksa.
                                  
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Agrad
Vangy : 105
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : andrieaksa
Daty : 07/02/2025 20:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4236