DERA HO ANAO (AFL (Antsan'ny Fahazavan'ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
DERA HO ANAO

I/Raha nivalo taminao aho, ianao tsy mba nandà
Fa namerina indray,ny fitiavanao
Dia namindra fo ianao Jeso, nitia nanafaka ahy
Tao anatin’ny aizin’ny fiainako hatrizay.

II/Na mpanota aza aho,ianao tsy mba nanary ahy
Fa niantso ahy,nandray ho olom-baovao
Na dia osa aza aho Jesoa,ianao nitsimbina ahy
Ka nitantana ny dia sy nankahery ahy


Ref: Dera ho anao Jeso
Zanaky ny Ray ianao
Andry iankinanay ianao
Mpamonjy izao tontolo izao

Njaka Serge RANDRIANARISOA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFL (Antsan'ny Fahazavan'ny Lanitra)
Vangy : 3104
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njaka Serge R.
Daty : 07/04/2005 09:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0712