Tsy maninona aho (Abel Andriarimalala)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy maninona ahoSaingy hitanao,
Misy rano ve
Teo amin’ny tavako.
Saingy henonao
Misy feo niloatra
Teo amin’ny vavako.
Dia noheverinao
Fa tomany no
Tamin’ny tarehiko.
Dia noheverinao
Fa hoe ranomaso
No nisolo ny hehiko.
Diso anefa ianao
Piti-drano ilay
Tamin’ny takolako.
Ary tsy toloko
Ilay renao teo.
Fa angolangolako.
Tsy maninona aho
Tsy maninona aho
Ianao no voafitaky
Ny eritreritrao
Izaho tsy mitalaho !
Izaho tsy mitalaho !
Tsy ilaiko akory
Ny fampiononanao.
Raha hitanao,
Eny an-dalana eny
‘Lay olo-malalako.
Dia mba ilazao.
Fa tsy izy akory
Tsy izy no halako.
Fa tandremonao.
Sao lazainao azy
Ny amin’ny tantarako.
‘Zao dia izao ihany,
No ho teninao
Ka mba hanafarako.
Diso hono hoe ianao
Raha heverinao
Fa tomany ny ao am-po.
Efa adino hono hoe
Ny momba anareo
Efa adino avokoa.
Tsy maninona aho !
Tsy maninona aho !
Efa nionona aho
Ilay nilaozanao
Izaho tsy mitalaho !
Izaho tsy mitalaho !
Tsy ilaiko akory
Ny fiverenanao.
Tsy maninona aho !
Tsy maninona aho !
Efa nionona aho
Ilay nilaozanao
Izaho tsy mitalaho !
Izaho tsy mitalaho !
Tsy ilaiko akory
Ny fiverenanao.
Tonony : Abel andriarimalala
Feony : Abel andriarimalala
Mpihira: Tarika Abel Andriarimalala
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Abel AndriarimalalaVangy : 67
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Kalofahiny
Daty : 10/01/2025 16:57