Izaho tsy maintsy mihira

Lohateny Izaho tsy maintsy mihira
Nampiditra Dago
Tamin'ny 20/04/2005 00:07
Vangy : 696
Nanou RAND
nanourand@hotmail.com

G                 Bm
Izaho tsy maintsy mihira 
C         G
Voninkazo iray 
C        G
Mitranga tampotampoka 
D               G
Eny antampon'ny havoana 

  Izaho tsy maintsy mihira 

  Zazavavy iray 

  Mihazakaza-dava 

  Tsy fantatro hoe nahoana  

REF(bis):
G
Hihira aho
Em
Hihira aho
C          G
Hihirahira mafy 
D                  G  
Hoanareo manatrika eto 

  Izaho tsy maintsy mihira 

  Mihira an'ilay jamba 

  Mikaroka ny volany 

  Amin'ny ali-maizimpito 

Izaho tsy maintsy mihira 

Vazon'ny mahantra 

Tsy mba niala sasatra 

Amin'ny andro fahafito 

  REF(bis) 



Izaho tsy maintsy mihira 

Vodilanitra efatra 

Nampizarazara izao tontolo izao 

  Izaho tsy maintsy mihira 

  Ireo sasany nandefitra 

  Tsy afaka niteny 

  Nareo no nilalao 

REF(bis)
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089