Mba tandremo kely lesy
Mba tandremo kely lesy (2) ‘ty fiainana ity anie ka be fikafika Mba tandremo kely lesy Mitolona lery mba ho tafita Ny fandrika hiaraha-mahita Zaran’olona aza ialahy midaraboka dia any dia tsy hita Mba hevero kely lesy (2) ‘ty fahazarana variana fahiny Mba hevero kely lesy Be no lasa adala amin’iny Azony izay rehetra niriany Saingy zara raha miakanjo sy mivarilavo ankehitriny Zandry a ! Ny tany anie ka malama maina Tsy ampy lesy ny mitaraina Vao tanora dia miharia sao refa drodroka tsy hanana hataina Zandry a ! Tsy vita tranga lela ny miaina a Tsy ampy lesy ny mitaraina Sao ny namana niarahana ela tafita, ialahy tonga saina Mba tandremo kely lesy (2) Ny tendrim-po anie ka tsy mba akama Mba tandremo kely lesy Ny fo anie ka rano mafana Ny teny lasalasa tsy tana Mbola ho averina amin’ialahy rehefa tonga ny fotoam-pijinjana Zandry a ! Ny tany anie ka malama maina … O mba saino kely lesy (2) I dada sy i mama anie ka tsy ao intsony O mba saino kely lesy Ny hahatafita antsika no nimasoany Ny hampisandratra an’ialahy ho ambony Ny fahendrena no mba lova napetrany amin’ialahy, ka arovy Zandry a ! Ny tany anie ka malama maina …
