Adama sy Eva
Titre
Adama sy Eva
Envoyé par bitaka
Le 28/06/2006 09:46
Visites : 634
Ohatra Do dia C
Tao am-paradisan-tany, efa ela hono izany
C- Am - Dm - G
Nisy olona ankiroa, izay rangaha sy ramatoa
C- etc...
Lavorary sady meva, io no ilay : Adama sy Eva
Tena (sambatra)x3, sambatra indray mitambatra ô ô
G- C - Am - Dm - G - C - Am - Dm - G
Nanafatra azy i Zanahary hoe : anjakao ny zavaboahary
C- etc...
Ireo voankazo fihinam-boa, atolotro anareo roa
Afatsy ny "Hazon'aina" no tsy azonao alaina
Fa io dia voarara ho Hazo Fahalalana ny Ratsy sy ny Tsara
Tonga tampoka i Satana naka endri-menarana
Voankazo iray mihevaheva no nanairany an'i Eva
Mena be miraviravy ka tsy naharitra ny vavy
(Nanandrana)x3, nahatelina vao niandranandrana
Rehefa hitany fa tsara ity voankazo izay voarara
Dia nantsoiny koa i Adama, mainka koa ilay io tsy tana
Vao nanandrana nihinana dia nitady fisikinana
Fa (nitanjaka)x3, nitanjaka tena nitanjaka
Nikoropaka ny vavy nitady ravin'aviavy
Injany indray fa nisy feo izay nisakana azy ireo
"ADAMA O! AIZA IANAO ? FA AKORY ITY NATAO ?"
Nefa io tsy nahajery fa nandositra niery
(Niboridana)x3, nirifatra lasa niridana
( intermède musical )
Tena tezitra be Andriamanitra ka nanokatra ny lanitra
Dia voahozona ny tany, tsy maintsy hisy fiafarany
Vokatry ny fahotana nataon'i Eva sy Adama
Ka mifototra, fototra, fototra, fahotana tsy mety ho tototra
Fa ny tena nampihomehy (ha! ha! ha! ) : Famantarana lehibe
Izay nahazo an'i Adama vokatry ny hatendana
Toa tavela mihazohazo ao an-tenda ilay voankazo
Paoma, paoma, paoma, hita mivongana foana
ô! ô! ô! Paoma, paoma, paoma, hita mivongana foana
ô! ô! ô! Paoma, paoma, paoma, hita mivongana foana