Ampidiro aloha ny tenimiafina
MBOLA HO AVY
Oh, oh, oh, eh, eh mmmh, mmmh Raha misy alahelo anatinao Avy fa aza mananahy Ireo sorisory sy ahiahy Lazao anie f'izaho mbola eto ihany Mbola hameno ny hafanana, Hamelona hazavana Hanafo sy hanoroka Avia, avia an-tratrako Raha misy ny manjo F'izaho dia tsy ho sahy hanary anao Na ho sarotra Fa efa voasoratra ato am-po Ireo teny manambara fitia Ny hoe hisaraka tsy tonga tato anaty Ny voadiko dia ny faty ihany no hanasaraka Ka dia matokia.. Avia, avia... Mbola ho avy ny andro, Ho avy ny fotoana Dia hifarana hatreo ny tomany Ka mahandrasa aloha fa ho hitantsika Tsy ho ela intsony ouh, ouh, ouh Avia, avia an-tratrako (ouh, Avia aza mananahy...) Raha misy ny manjo (eh, yeah, ouh ...) F'izaho dia tsy ho sahy (Ny andro sisa iainako...) hanary anao(eh, eh, oh...) Na ho sarotra (Aza manahy ianao...) Avia...
