Jesoa isaorako

Titre Jesoa isaorako
Envoyé par Inante2202
Le il y a 22 heures
Visites : 19
    Jesoa isaorako ny fitiavanao ahy

Na mafy ny manjo mandresy ny fanahy

Fa ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao

Mionona ny fo eo am-pelantananao



Jesoa misaotra indrindra

Misaotra eram-po

Ny fiainako mirindra

Ka ampoky ny  soa

Fa ampy hifaliako ny fahasoavanao

Jesoa ny faniriako hitoetra anilanao



Jesoa isaorako ireo teninao

Fa dia nandramako mandresy aho izao

Fa ampy ho ahy tokoa ny fahasoavanao

Matoky izany fo ampaherezinao



Jesoa misaotra indrindra

Misaotra eram-po

Ny fiainako mirindra ka ampoky ny soa

Fa ampy hifalialo ny fahasoavanao 

Jesoa ny faniriako hitoetra anilanao



Jesoa misaotra indrindra e

Misaotra eram-po

Ny fiainanay mirindra ka ampoky ny soa

Izao no faniriana ireo taranakay

Jesoa ho fifaliany ny fahasoavanao.

  
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083