K'ANIB

Envoyé par hagamamytahiana2023
12/07/2024 17:23
Les chansons de K'ANIB 1 Cliquer ici
Visites : 117
Préférés : 0 J'aime

Plus d'info

Ny tarika K'ANIB na Kanto an'i Bira dia tarika iray mpanakanto avy ao Antsirabe izay "boys band" nanana ny lazany tany amin'ny taona 2000 tany, ary ireto tarika ireto ihany koa dia anisan'ny nameno ny tarika "KANIBAL" ny taona 1996 fa mbola rivotra "hip hop" no niainany tamin'izao fa efa lasa K'ANIB ilay izy nanomboka ny taona 2000 ka hatramin'izao. Ireto avy ny mpikambana mandrafitra ny tarika : Nicky RASOLONIAINA (Nicky), Tina RANATY (Nathy) ary i Radonirina RANDRIAMALAZA (Gôta). "Izy ilay tokana" no hira anisan'ny nahafantarana ny tarika ny taona 2001, ary ny taona 2004 sy ny taona 2005 kosa dia efa fantatra ihany koa tao anatin'ilay hira mitondra ny lohateny hoe "Kôfy akama", "Fomba gasy", ary ny "Namana" tamin'izany fotoana izany.
Efa manomana ny fiverenana an-tsehatra ny tarika ankehitriny ary izaho manokana dia tena anisan'ny mpankafy ny tarika K'ANIB satria efa tany amin'ny 19 taona lasa tany no nahenoana azy farany.
Mirary soa ary mahombiaza hatrany!

Tahiana

Commentaires sur K'ANIB

hagamamytahiana2023 (16/07/2024 07:37)
Salama daholo e! Izaho manokana aloha dia tena anisan'ny mpankafy sy mpiondana tarika K'ANIB satria fantatra tao anatin'ilay hira "Izy ilay tokana" sy "Namana" tamin'izany fotoana izany. Fa mety misy fotoana mety hanao "come-back" ry zareo amin'ity taona ity, raha ny tena mety. Tamin'ny 20 taona lasa tany no nahitako anareo farany. Mirary soa ry tarika K'ANIB, ho ela velona ianareo!

Les chansons de K'ANIB (1)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011