Lavitra (K'ANIB)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Lavitra loatra ny misy ahy, nefa ny aty tsy zakako intsony
Mba valio ny fitarainako, izay efa nalefako tany aminao
Efa impiry moa izaho no miangavy anao?
Nefa mety tsy voarainao, ny hafatra izay nalefako
Mbola tsy nisy nivaly, ity hira ity no hanafarako
Ny fitarainako aty aminao, mba valio aho ry Malala
Nefa ny aty tsy mahatamana

Refrain :
Lavitra izaho, malahelo mafy anao
Alaivo aho fa lavitra anao

2- Iny habakabaka iny, no hiraisantsika sy ianao
Raha mahatsiaro ianao, ventsoy ny hirako
Ianao no firavaka, tsy atakaloko izao tontolo izao
Ny fiainako, apetraka aminao
Any aminao foana ny eritreritro
Tsarovy fa izaho ilay tia anao
Nefa koa fantatrao, fa tsy kilalao
Mino aho, fa mbola tia ahy ianao

Refrain : Lavitra izaho malahelo mafy anao
Alaivo aho fa lavitra anao

3- Fa lasa ianao, lasa tsy nametraka veloma
Marary ny fo, izaho mitomany, kanefa izaho tsy mifona
Ô ry tiana miverena, fa izaho aty aza avela irery
Ny alaheloko anao tsy voafaritra, tsy voafaritra intsony amin'ny tena
Eny lasa ianao, ary angamba ianao mety intsony tsy hiverina
Tsarovy fa izaho miandry anao foana, ety ambany na eto an-toerana
Ilay fitiavantsika miserana, ny alaheloko anao no manerana
Ny tavanao eo an-doham-pandriana isan'andro no miserana
Miverena izay ihany sisa no mba ambetin-teniko
Ny namela anao any lavitra any aza ataoko hoe eny fa nanenenako
Izy hoy aho tsy niala nenina, tamin'ilay veloma tsy notenenina
Izy hoy aho any manenina, alaivo aty aho izay sisa tenenina!

K'ANIB ( 2002)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : K'ANIB
Vangy : 80
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hagamamytahiana2023
Daty : 13/07/2024 10:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779