Commentaires sur Jean Nico

Revenir à Jean Nico Ajouter un commentaire
LAndrianasolo ( 17/04/2019 07:47)
Mankasitraka indrindra ho an’izay nampiditra ny hiran’i Jean-Nico tato. Mpirahalahy kambana no namorona ny tarika tany @ taona 60 tany ho any. Tsy iza izany fa RANDRIANASOLO Janeau Evariste (maty ny 02 mey 1991) izay ray niteraka ahy sy RANDRIAMIFIDY Jacques Nicolas (maty ny 01 septembre 1978). Maro t@ ireo teraka teo anelanelan ny 1940 sy 1970 no mahatadidy azy tsara. Misaotra manokana an i dolbia nilaza tsotrotra ny momba ity mpanakanto ity.
dolbia ( 10/12/2008 09:03)
raha mba misy manana ny hiran'i Jean Nico dia mba ilazao eto e, tsy mahita mihitsy aho !
dolbia ( 10/12/2008 09:02)
misy hiran'i Jean Nico anankiray iny koa misy hoe : "Ankehitriny anefa tofoka aho, tsy tantiko intsony ny hahita anao... Sao dia mba misy manana ny tonony ?
rafangotsohana ( 10/10/2008 10:45)
Ity misy hira iray atolotro eto. Ny tarika Jean Nico no mihira azy fa ny auteur compositeur dia M. Raoël Roger Jacques Edouard, izay bassiste tao aminy ihany.Atolotro indrindra koa ity mba ho fahatsiarovana ny taloha, satria tsy hadinoko mihitsy fa isaky ny mandeha mankany ambanivohitra izahay dia mihira an'izy ity foana.
dolbia ( 21/07/2008 15:12)
I Jean Nico na Andrianasolo Jeannot Evariste dia artista anankiray tena tiako indrindra noho ireo hirany milaza fihetseham-po daholo ny ankamaroany, nodimandry izy ny zomà 3 mey 1991. Tsy hadinoko mihitsy ny nilazàn'i Ramahafadrahona ny nahafatesany ny alin'ny alakamisy talohan'io. Teny Behoririka teo akaikin'ny Shell teo no tranony fa asa na mbola ao ny vady aman-janany. Izaho dia mirary raha mirary mba hisy fanilo hitondra ny hiran'i Jean Nico amin'ny taranany satria dia mamy tokoa ny hirany. Misaotra tompoko
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2967