Ny andro anio (Zopanage)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny andro anio dia ilay andro iray
‘Zay nifandaozantsika indray
Ny andro anio tsy mba andro mahamay
Fa mampifoha indray ny tsiahy
Mafy anie ‘zany ilaozanao
Mampitoloko talaho
Nefa anie izao no natao
Mba itiavako anao.

Ny andro anio no nifanaovana
Ny mamikely hifahatsiarovana
Ny andro anio mahatorovana
Ny làlantsika tsy handalovana
Mangingina ‘lay lalankely
Manirery izao izy
Fa tsy atao mba hamerivery
Ny saina izay mihizihizy

Fa mbola ho avy indray ny masoandro
Mba hanazava, hanome ny antoandro
Amin’izay hidobok’hafaliana
Ny fontsika fa samy eo ny tiana
Tsisy intsony izany tomany
Fa ny tsiky no hany
Hanolo indray ny vinany
Ho fifaliana hatrany



Tonony sy feony : Ndrina Ranaivo
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Zopanage
Visites : 3617
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ikalamako
Date : 02/09/2015 23:29
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1808