Lahatra (ZEZE Mahanoro)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
LailailailalalailailaiLailailailailala
Ka ho aiza loatra lahy izany lalanao
Ô ry mpanarato miatsinanana?
Tafio-drivotra sy ireo onja maria
No iadivanao lalandava izao
Zovy no afaka milaza hoe
Ireo mpanarato marobe
Tafaverina soa aman-tsara aty
Zovy no mahalala? Asa lahy!
Matetika mantsy izy ireo
Tratran'ireo rivo-mahery
Maty anaty irony rano lalim-be
Eeh! Izany ny lahatra!
Aiza ho aiza izay mba misy anao?
Ireo vady aman-janaka,
Dia sasa-miandry ery amorom-pasika
Manantena ny hiverenanao
Sompatra loatra lahy izato ianao
Ô ry ranomasin-dehibe
Impiry impiry moa no namoizana
Ireo havana tena maminay
Impiry impiry moa no namoizana
Ireo havana tena maminay
Lailailailalalailailai
Lailailailalala
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : ZEZE MahanoroVisites : 105
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : dahfara
Date : 13/02/2026 05:10
