Valim-bavaka (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba ambarao mazava aminay ry Ray
Fa mbola misy zavatra tsy takatray
Ny tsy hamalianao ireo vavakay
Hatramin’izao ka hatramin’izay
Fa mbola feno fahotana ve izahay
Ka mbola tsy voavelanao ny helokay
Na dia miantso anao isan’andro aza izahay
Dia ny omaly tsy miova ny fiainanay

Tsy ho kivy anie aho miantso Anao
Ray Malala ô
Hiantso Anao foana ity zanaka adala
Efa ela anie aho no mba te hiala
Amin’ny fiainanay toa kidaladala
Raha sitrakao ry Tompo omeo ahy ny hery
Hiatrehako ny ampitso ho avy mistery
Tariho làlana aho mba tsy ho very
Fa malemy sy osa feno fery

Mba iza moa ry Ray no hitarainako
Afa tsy Ianao izay nanao ny fiainako
Raha mitady hamolaka ny zava-manjo
Ianao ihany no andry iankinako
Ialako tsiny re ry Tompo Aminao
Na dia efa kivy tsy te hihaino ahy aza Ianao
Indro aho ry Tompo raiso fa adidinao
Efa trotraka miangavy mitalaho

Nangoniko ny heriko tato anaty
Hanazava ny finoako  mba tsy ho faty
Efa hatry ny ela anie aho no efa nino
Fa ny Raiko ambony tsy manadino
Ifonako ny ditra sy ny hadalàna
Tsy ataoko intsony ny handika lalàna
Indro ny tenako atolotro Anao
Inty aho ry Tompo ho irakao, irakao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Bodo
Visites : 26026
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : cmbolatiana
Date : 16/02/2007 07:15
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124