Eo ambany elatrao (Vero Ranaivoson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Tilikambo mahery Ianao
Fialofana azo antoka
Fiereko mandrakizay
Vatolampy famonjena ahy
Ka tsy hatahotra aho

Eo ambany elatrao no hialofako
Teny fikasanao no hijoroako
Mety hiova avokoa na izao rehetra izao
Fa Ianao tsy mandao, tia mandrakizay
Fitiavana mandrakizay) x2

Tazomy aho Tompo ô
Hitoetra eo an-tongotrao
Ka na ihetsika ny havoana
Fitiavanao hitoetra eo foana
Tazomy aho Tompo ô
Hitoetra eo an-tongotrao
Eo no mahatsara ahy

Eo ambany elatrao no hialofako
Teny fikasanao no hijoroako
Mety hiova avokoa na izao rehetra izao
Fa Ianao tsy mandao, tia mandrakizay
Fitiavana mandrakizay
Mandrakizay
Fitiavana mandrakizay
Mandrakizay
Fitiavana mandrakizay.
--------
Lien:
Commentaires
hery ( 27/02/2024 19:52)
sarobidy> Apetrako eto ito mba ho hitanao.
Rehefa manitsy dia tonga dia azonao ahitsy ilay tononkira.
Ilay toerana menamena hametrahanao fotsiny ny zavatra nahitsinao mba ho hitanay.
Manjary manao asa double isika.
Misaotra.
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vero Ranaivoson
Visites : 251
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : sarobidy
Date : 30/12/2023 10:28
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744