Zovy (TOKO TELO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zovy no tsy mahalàla ô!
Fa samy mody adala e!
Firy taonina izay ireo harena :
Vatosoa, safira, volamena
Saingy lalana ambanin’ny tany ô!
Dia misosa mankany mankany.
Trano fiara sy tany,
Rehefa miverina avy any.
Tsy mba sahirana izany ô!
Fa ny any amin’ny banky tsy ho lany.

Irony grand dossier ô!
Lisitra iray lavabe e!
Fa samy varimbariana,
Dia napetraka hangingina.
Izay nialàn’ny volam-bahoaka ô!
Tsy nisy ankiray tafavoaka.
Voky tao ry zalahy,
Dia inty raha hividy vazaha!
Ireo mpitondra malaza ô!
Tsy nisy ankiray mba nigadra.

FIV : Ny ambony aloha dia ambony ô!
      Farafaha-ambaniny saoka!
      Ny ambany indray dia ambany e!
      Farafaha-amboniny foitra e!
      Ny ambony aloha dia ambony ô!
      Voky alahelom-bahoaka!
      Ny ambany indray dia ambany!
      F’izay tsy mahatanty mitroatra!

Ary zovy no tsy mihaiky :
Fa ny maro an’isa taraiky e!
Ny mpamokatra tsy manam-pidiny,
Fa tsy izy no tompon’ny vidiny
Ny varotra indray no mandeha dia
Lasa tsena ihany koa ny arabe.
Mifandrombaka entan-tsinoa,
Fa ireny no mora koakoa.
Ka izany ve tsy midika ô!
Hoe : farahidiny isika.

Dia mbola miseho mahavita ô!
Ireo mpikatroka ny pôlitika e!
Nambotry ny firenena,
Hatramin’ny faleovan-tena.
Ny tena hafetsen-dry ngeza ô!
Dia nifandovàny ny seza.
Ny zanany manko nahavita
Fianarana avy any am-pita,
Fa zay tratran’ny fanagasiana ô!
Lasa tohatra aty aoriana.

Tonton Pa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : TOKO TELO
Visites : 91
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : anjarasoa23
Date : 19/11/2025 15:39
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1046