Aleo ho rava (TOKO TELO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nanafatra aho omaly ho hamafisiko eto anio
Asa raha mba nosaininao io hafatro io?
Tsapako tokoa fa tsy ho tantin’ ny fo
Nefa mba zakao ihany alo, f’izay no mahasoa
Raha tia any aho taloha ka nizara izany taminao
Toa tsy mba novakianao loha ireo izay niombonantsika
Noheverinao fa fitia kilalalao
Anaovanao izay tian-katao satria niaritra aho

Dia ho tsiny kosa ve raha ravàna hatreo
Ireo nofy², niarahana fahiny
Aoka hivalona hotantara fa tsy mety ho anjara
Samia manantena e, izay mba iriany.

Ataovy toy ny tsy teo aho raha manahiran-tsaina
An-kafa indray mba mitaraina
F’ianao ve hiala maina
Tsoriko eto aloha, fa mafy izay nanjo
K’izay ve no ambaranao ahy
Tsy hanova ny ato andoha

Efa vita aloha raha natao
Ka raha handeha ianao
Tsy harahiko tsiny e tsy hotsaroiko akory
Ireo mamy tany aminao tany, tsarovy f’efa lany
F’izay momba antsika e, aleo izy hatory. (in-2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TOKO TELO
Vangy : 3418
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zouas
Daty : 02/04/2009 10:17
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0886