tiako izy (TOKO TELO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny esoesonao, toa vao maika,
Mampitombo, ilay fitiavako azy izay,
Tsy izay lazainao, no afaka hanova izay najoro,
Ka hikoro,

Na ny hery, na koa lalàna,
Na hisy fandraràna,
Dia tiako izy, izy koa tia ahy,
’zahay tsy hisaraka,

      Ref: Fa raha ny anay, mafy orina,
  atkm          Tsy ho voaraodana, fitia tena matotra,
           Vita fatotra,

’Zahay enjehinao, toa vao maika mifankatia,
Mitombo sy mafana, ilay fitia,
Ny tiako ho tsapanao, matoa ’zahay,
Tafara-dalana, dia teo ilay fitiavana,

Na iza hanasazy sy handidy,
Na mamy io na hangidy,
Dia tiako izy,izy koa tia ahy,
’zahay tsy hisaraka,

           Fa fo iray no mitambatra,
           Mifanaraka,izahay tsy hifandao,
           Na ho mora na ho sarotra,

  kjxi          Fa raha ny anay, mafy orina,
           Tsy voarodana, fitia tena matotra
           Vita fatotra,

     (x2): Ho atako tsara karakara,
           Fa efa anjara,nomenao ho ahy,
           mandrak’izay,
      
     (x2): Fa raha ny anay, mafy orina,
           Tsy voarodana, fitia tena matotra,
           Vita fatotra,        
    lcfrv                        
                     tononkira.serasera.org               R.RAMPAL

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : TOKO TELO
Visites : 17205
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : admin
Date : 22/01/2003 13:22
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0294