Toamasina (Tiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mitsoka ilay rivo-dranomasina
Dia fantaro fa akaiky ilay Toamasina
Fa nilaozana lavitra Iarivonay
Ka arahabaina Rasaraka, avy izahay

Fiv :
Mbola tiako raha ny moronao
Ny hakantonao tsy mankalao
Vetivety izahay anefa dia handao
Ka andao hikorana hiara-milalao
Atsipy ny sandrinao
Adola ny lohanao
Dihizo ny sorokao
la la la la

Raha hitodi-doha hiakatra izahay
Dia handalo ao an-tsena sy Salazamay
Tsy hadino ny akora atao firavaka
Sy ny ranom-boanio izay mampiavaka
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tiana
Visites : 7953
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : lanto
Date : 19/04/2007 21:17
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107