Mitomany ny ala (Tarika Vitrana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MITOMANY NY ALA
Mitritra e ! sady vakivaky
Nidaboka amin'ny tany e ! sy feno diam-pamaky
Lay ala maitso volo silaky i Edena
Potiky ny tavy e, ka zary mahonena

Ref:Mitomany e, mitomany ny ala
Marary e, ireo hazo be mijoala
Mitomany e, mitomany ny ala
Kekeka e ! any ampon'ny mahalala

Ny tendrombohitra e nanjary babangoana
Ireo hazo mba naniry efa tapitra sy foana
Ireo sisa mba nijoro o nalainy ho antaina
Tsy saininy akory e, zay hitranga amaraina

Ny voromanidina e tsy misy hipetrahany
Ilay kirihitra mba fonenany e, tsy hita izay nombahany
Ireo biby tompon'ny ala e, mpanjaka tao fahiny
Nadositra sy niala e, na tsy manantsiny

Ny oram-pahavaratra toa namilafila
Ireo ala mpiantso azy e ! nidorana ho kila
Ny lanitra eo ambony dia nanjombondava
Fa ny doro-tanety hono efa ho lava

Io ala fady  tsy natao ho trandrahana
ho lovainjafy e, sy soa iarahana
Samy zavamiaina na olombelona na ny ala
Ka mendrika ho koloina izy fa aza mankahala

Hmm hmm hmm Arovy ny ala
Fa sahan'ny biby sy ny zavaboahary
Oh oh oh kajio re ny ala
Fa io no ody andro fanefitra mosary

A/C:IANJAHARIVONY Pascal
(Mi Tendry M'Ci)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tarika Vitrana
Visites : 21
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Yanjaharivony
Date : 21/04/2026 00:13
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0149