Ny lalantsika (tarika Ralaza)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia mbola averiko eto indray‘Zay fiantefany any tsy ahoako
Ianao irery ihany akia ry malala ô
No mahalala izay, izay mety atao
Tsy mbola kivy anie aho, na malaina
Mbola vonona aho ny hitady
Ahita ny marina eto amin’ity fiainana ity
‘Zay mihasarotra hatrany
In-2 : Eny akia aza taitra na malaina
Ny ety an-tany anie ka miova hatrany
Mandalo aminao daholo na ny mamy
Na ny mangidy raha mbola eto an-tany
Fa na manonja aza ny rano
Ny sambo anie ka hizotra ihany
Mahaiza mahatoky ianao ry malala ô
Fa any aoriana any dia hahita hasambarana
Fa na ho ela na ho haingana
Dia vonona anie aho ny hitady
Mahaiza mahatoky ianao ry malala ô
Fa any aoriana any dia ho tojo hasambarana
In-2 : Eny akia aza kivy na malahelo
Ny ety an-tany anie ka be setrasetra
Mandalo aminao daholo na ny mamy
Na ny mangidy raha mbola eto an-tany
Ka ny lalantsika roa no ho fenoina soa sy hafaliana e
Ka tsy hifandao e, fa ny ho doria
Ho lamban’akoho no aoka ho tanjona hatrany
--------
Lien:
Commentaires
harisoaras
(
27/07/2016 08:32)
Misaotra ny mpankafy. Eny misaotra ny mpitsidika ihany koa. Hira tamin'izany fotoana, izay nankafizina tokoa ary mbola hankafiziko hatramin'izao, nefa toa tsy re firy ankehitriny. Misaotra an'i Tiana, Tiana Co, ny ekipa rehetra tsy adino. Mandrampihaona hoy Beloha.
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : tarika RalazaVisites : 2335
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : harisoaras
Date : 27/07/2016 08:37