Manantena (Sphynx)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lavo ianao nefa tsy voatery
Tsy ho tafiarina,ny hoavy azo amboarina
Miady ianao satria manantena
Ka mila miaritra ,làlana sarotra

Misy fotoana lavo ambany
Tsisy fanantenana tsony
Zay zavatra kasaina gebona ny ankamaroany
Rehefa manao jery todika
De kivy mitanondrika
Zay raisina de potika
Sa ve misy mpamorika
Tsisy fazavana ,tsy mety mba tafiakatra
Ny ao an tsaina mazana Andriamanitra mba miangatra
Ny anio tsisy azo raisina,ny lasa koa mangidy,ny hoavy mbola maizina ,ny masoandro efa divy,ny saina efa kivy
De zay natao tsy vita na nadaboka
Satria tsisy ny sanjila sady ny vintana nangarika
De ny saina efa barika
Hoe tsika natao hiaritra
Nefa avadio ho tanjaka reo ratra nanamarika
Ny kivy aloa fadio
Ny zava drehetra misy dikany
Mety hoe tany amin ny rano tsisy trondro anao namintana
Ekeko hoe mavavay mitady vola
Mianika ny tampo tendrimbohitra tsy mora
Ny tany feno fitaka,ny marina tandrovy
De ataovy motivaka ny zanakao manovy
Ny hoavy ny jerena mba ho tsara no ny anao
Manaova soa f hiverina foana zay nomenao
F io masoandro io hoposaka
F ianao mila miandry
Matoa ianao io potraka
De mbala mila miady
Tsy kapoka fa kotrany reo olana mianjady
Fiaretanao midika ho fandresena sahady

Lavo ianao nefa tsy voatery
Tsy ho tafiarina,ny hoavy azo amboarina
Miady ianao satria manantena
Ka mila miaritra ,làlana sarotra

Mety hoe tsy tsara départ
Na hoe tsy zanaka mpanana
Na hoe tsy ampy enti manana
Na tsy avaram pianarana
De kivy ianao namana
Satria ny sasany iangarana
Fa saina samy manana
De ny masoandro hitambarana
Ka na mafy ny entana na andro maizina
Aza milavo lefona misy azo raisina
Mandresy ianao na mahazo lesona
Na maro ny ozona ao anaty haizina
Aza kiavy anatin ny ady mafy koa
Voa hita oe iza no tena izy
Mety hoe kamboty ianao
Tsisy na ray aman dreny
Zay zavatra rehetra atao tô mafy avokoa satria ianao miady rery
Finoana ataovy matevina fanantenana aza avela ho very
Fa na ho ela haingana tsy maintsy ho tratra ny tanjona fa mila miezaka kely
Fa fiainana tsy androany fotsiny
Ny ampitso koa ts hay zay fonosiny
Ra mbola ts mikipy ny maso de mahaiza misaotra fa mahazo tombony
Ary ny fotoana tsy miangatra ho any zay miasa
Tsy maintsy hivaly ny asasaranao io fa miandrasa
Ka anio de raiso an tanana ny hoavy
Areno dieny zao fa io ts hitsangana ho azy
Mba ho reharehan ny dada zay mba niezaka mafy
Izy no nanomboka de ianao manohy azy
F io masoandro io hiposaka
F ianao mila miandry
Matoa ianao zay potraka de mbola mila miady
Tsy kapoka fa kotrana reo olana mianjady
Fiaretanao midika ho fandresena sahady

Lavo ianao nefa ts voatery
Tsy ho tafiarina ,ny hoavy azo amboarina
Miady ianao satria manantena
Ka mila miaritra,làlana sarotra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sphynx
Vangy : 110
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Fanaja5
Daty : 25/03/2025 17:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4818