Dieny mbola tsy tara (Sphynx)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Te ho tafa elah fa tsy mihetsika
Te handroso elah fa tsy miketrika
Te ho boss elah fa tsy mahafoy fotoana
satria ny revy tsy azo mandefitra

Dia ny fiainan'nlah toa mihodikodina eo dia
amin'izao tontonlo izao elah no tezitra
Fa tsisy mety izay rehetra natao dia
amin'ny toaka elah no mamono heritreritra

Nefa elah ihany no diso
Tsy mba nahay nitsinjo ny ampitso
Mihevitra hoe ny ray aman-dreny eo foana
Afaka mividy izay tiako

Dia avy koa eo mionona tamin'ny kely ananana
Satria elah io malaina
Naleonlah nirevy amin'ny alina be
Dia aveo matory maraina

Bandy miketrika elah naka aina
isan'andro nirevy dia nampiadan-tena
Dia nandrandra lova d'efa nanantena hoe
Miandry tour dia mpanakarena

Nefa dila tampoka ny ray aman-dreny
Tsy namela afa-tsy trosa an-tapitr'isa
Fa tsy vita hatreo oa ny fiainana
Ny saina anie loharano tsy mba mety ritra

Tsisy ny tara fa ny tsy azo atao dia ny manipy gants
Mandinka tsara vao manapa-kevitra isafidy camps
Samy nosora-menaka tsisy nateraka ho to(nga) dia grand
Ilaina manofy fa tsara kokoa tonga dia actions

Zanak'ondry elah ve sa lion? elah ihany no tompon-tsafidy
C'est ça la loi du talion na didiana na 'lah mandidy
Rehefa eo ny vola millions, paradisa no tsy voavidy
Ataovy ambon'ny motivation, ny lalanlah tsy maintsy hoe mangidy

Satria my nigga,
Izay manao no mahavita, izay mitady dia mahita
Aza miandry mana avy any an-danitra fa mifohaza dia tafita
Izay manao no mahavita, izay mitady dia mahita
Ny hakamoana nigga atao fahavalo satria izay miasa no tafita

Dieny mbola tanora matanjaka tsara dia mila mi-fonce
Fiatsaram-belatsihy oa no betsaka tsisy ny 2ème chance
Tokana ihany, tsy misy ny mana fa miasa mafy
Tsy mahamenatra mianga amin'ny kely ary tsy misy ny asa ratsy

'Zay miasa dia tafa, 'zay tafa dia pata, dia maka 'zay tiany dia manjakazaka
Ny akaotran'(izay) mizaka na opa na lasa vao miainga ny revy dia asaina matsaka
Mifohaza fa mbola tsy tara, fa tsy natao ho antsika ny échec
Androany elah miandry karama fa rampitso elah mety i-signer chèque

Mokon-doha no manavotra fa aza variana miantehatra lova
Tsy ny fitondrana fa ny toe-tsaina no efa mila miova
Ts'izay mifoha maraina f'izay tsy matory no mahatratra ny nofy
Tsy natao excuse hoe saranga samy hafa anjara tsy mitovy

Zanak'ondry elah ve sa lion? elah ihany no tompon-tsafidy
C'est ça la loi du talion na didiana na 'lah mandidy
Rehefa eo ny vola millions, paradisa no tsy voavidy
Ataovy ambon'ny motivation, ny lalanlah tsy maintsy hoe mangidy

Satria my nigga,
Izay manao no mahavita, izay mitady dia mahita
Aza miandry mana avy any an-danitra fa mifohaza dia tafita
Izay manao no mahavita, izay mitady dia mahita
Ny hakamoana nigga atao fahavalo satria izay miasa no tafita
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Sphynx
Hits : 669
Likes : 0 Like
Created by : kolokoloina
Date : 20/02/2022 12:57
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722