Vola (Solo Andrianarijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy indroa anie ianao,
No hiaina eto an-tany
Ka izay sitrakao atao,
Dia ho tanteraka avokoa
Ny fananana an-dravola
Tsy ho entinao hidola
Raha tsisy ny fanahy
Mety ho sola

Fa raha tsisy fahoriana
Ny taranaka any am-para
Izay mamy avelanao
Dia ho voarakitra ho tantara
Tsy hanenenao ny soa
Ny tontolo iainanao
Ka hatsarao re izay ratsy fanao

Teny mba atsipy ny ahy izany ô!
Ho an'ny daholobe tsy hira ihany e!
Mba raiso re raha toa ka mba sitrakao
Samy hahatsapa tena ho olom-baovao

Ho entinao ho aiza ny harena?
Sanatria tsy hitoetra hanaraka anao e!
Raha lasa ary ianao ka tsy hiverina intsony
Tsy ho voavidinao koa raha ny ao ambony
--------
Lien:
Commentaires
dahfara ( 24/05/2025 06:02)
Solo Andrianarijaona dia namoaka ny rakikirany laharana voalohany tany amin'ny fiandohan'ny taona 90 tany ho any

Taty aoriana kosa dia niaraka nihira tamin'ny zanany ary niova hoe "izy mianaka" ny anarana nentin'ny tarika
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Solo Andrianarijaona
Visites : 425
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : dahfara
Date : 24/05/2025 05:56
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
Autres titres
plus...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0106